1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely*? [Na: ry voronkely]

2 Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipkany; efa nanamboatra ny zana-tsipkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.

3 Fa rava ny fanorenana*, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry]

4 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona.

5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny.

6 Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.

7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]
